Choisir mon espace ↗
← Retour au formulaire

À LIRE AVANT VOTRE INSCRIPTION

Contrat original
et points essentiels

Vakio eto ny Company Policy feno nalefa, izay mirakitra ny texte rehetra momba ny activité Forever, alohan’ny hamenoana ny formulaire sy hanaovana sonia.

DOCUMENT COMPLET · FRANÇAIS

Company Policy — Janvier 2025

Ity ny PDF feno nalefa, ahitana ny texte rehetra amin’ny pejy 28. Azonao vakina eto na sokafana amin’ny bokotra etsy ambony.

Si le PDF ne s’affiche pas, ouvrez le document complet ici ↗

FAMINTINANA AMIN’NY TENY MALAGASY

Hevi-dehibe 11 tokony ho fantatra

Famintinana fampahafantarana avy amin’ny Company Policy Forever Living Products France, janvier 2025. Ny documents de référence feno dia azo vakina amin’ireo rohy etsy ambony.

  1. 01

    Mpandraharaha mahaleo tena ny FBO

    Tsy salarié mandray karama raikitra ny FBO. Miankina amin’ny asa ataony sy ny varotra ny vokatra azony. 18 taona no ho miakatra no afaka manao contrat.

    Company Policy · §1.01, §17.01
  2. 02

    Ny sonia dia fanekena hanaraka ny fitsipika Forever

    Tokony hahafantatra sy hanaja ny Company Policy sy ny Code de conduite ny FBO. Ny fandikana azy dia mety hiteraka suspension na résiliation.

    Company Policy · §1.02
  3. 03

    Mifototra amin’ny varotra produits ny rémunération

    Tsy azo ampanantenaina ho mora, mandeha ho azy, na azo antoka ny vola miditra. Voarara ny inscriptions fictives sy ny fanodinkodinana achats mba hahazoana qualification na bonus.

    Company Policy · §1.01, §16.02, §22.04
  4. 04

    Misy fepetra hahazoana bonus

    Araka ity Company Policy ity, ny statut Actif dia mitaky 4 CC isam-bolana, ka 1 CC personnel farafahakeliny, miaraka amin’ireo fepetra hafa mifandraika amin’ny bonus.

    Company Policy · §4.03
  5. 05

    Voafaritra ny qualifications ao amin’ity version France ity

    Ny Case Credits (CC) no ampiasaina handrefesana ny activité sy ny progression. Ireto ny barème ao amin’ny Company Policy France janvier 2025. Misy fepetra fanampiny ho an’ny Manager reconnu. Hamafiso amin’ny Forever mikarakara an’i Madagascar ny barème mihatra eto.

    NiveauCC takianaFe-potoana
    Animateur adjoint2 CC2 volana misesy farafahabetsany
    Animateur25 CC2 volana misesy farafahabetsany
    Manager adjoint75 CC2 volana misesy farafahabetsany
    Manager120 CC na 150 CC1–2 volana na 3–4 volana misesy
    Company Policy · §4.01, §5.01
  6. 06

    Tsy tokony hanao surstock na hividy qualification

    Tokony hifanaraka amin’ny consommation sy ny varotra tena misy ny achats. Voalaza ny fitsipika 75 % efa namidy, nohanina na nampiasaina alohan’ny hanafarana fanampiny ireo produits efa novidina.

    Company Policy · §13.01(h), §21.06
  7. 07

    Voarara ny filazana fa mitsabo aretina ny produits

    Tsy azo lazaina fa manao diagnostic, misoroka na manasitrana aretina ny produits Forever. Voarara koa ny informations trompeuses momba ny produits sy ny revenus.

    Company Policy · §16.02(n), §22.04
  8. 08

    Voafehy ny promotions, publications ary logo

    Voalaza fa tsy azo atao ny mampiroborobo prix ambany noho ny Prix Client Conseillé. Ny supports publicitaires sy ny fampiasana ny marques Forever dia tokony hanaraka ireo endrika sy autorisations omen’ny société.

    Company Policy · §19.02, §22.20
  9. 09

    Tsy azo ovaina malalaka ny parrain

    Misy procédure sy fepetra manokana amin’ny reparrainage, anisan’izany ny tsy fanaovana achats sy parrainage mandritra ny 12 volana. Mety hahavery ny downline sy ny niveau teo aloha izany.

    Company Policy · §14
  10. 10

    Tsiambaratelo ny informations momba ny réseau

    Ny listes downline, relevés de bonus ary informations internes dia tokony hampiasaina amin’ny activité Forever ihany ary arovana amin’ny divulgation.

    Company Policy · §20
  11. 11

    Tsy tokony hampandoavina frais abusifs ny formations sy événements

    Tsy tokony hihoatra ny coût raisonnable amin’ny fanatanterahana ilay événement ny frais de participation.

    Company Policy · §22.17

Vonona hameno ny dossier-nao?

Rehefa voavakinao ny contrat sy ireo hevi-dehibe dia afaka mameno ny informations, mampiditra ny CIN ary manao sonia ianao.

Continuer vers le formulaire →

Ny famenoana ity dossier ity dia mbola iharan’ny validation ataon’ny Forever.